Zay
Nantenaina
Nantenainay haharitra

Ny fiarahana tety

Fitiavana, firaisam-po

Faharetana



Toa samy nifampizarana

Avokoa ireo

Kanjo lasa ianao !



Mamy raha ny fiarahana

Na ny tsiky na ny sento

Nahatsapàna fahasambarana

‘Zay tsy hain’iza hofantarina


Ref : Kanefa izao, raha lasa ianao

Dia mbola hotohizanay hatrany

Ireo efa vita, kinasantsika

Hanomezana hasina

Ho anao ‘lay namana tsy foy

Nefa nandao anay

Ry Nantenaina maminay

(tena namanay …)