Zay
Ny lasa, ny anio ary ho mandrakizay
’Reo zava-maro izay natao

Nankininay taminao

Zary maivana daholo izany

Reo sarotra rehetra

Ny fahoriana, fijaliana

Toy ny nofy sisa satria notantananao



Be ireo sedra nitsapanao anay

Nefa nahatoky Anao foana izahay

Ka ny ho avy mbola tsy hay, mbola tsy fantatra

Ny tananao irery no hitantana azy

Ka n’inon’inona hanjo, n’inona hiseho

Matoky Anao izahay
Matoky ny Fitiavanao anay



Reo andro feno fifaliana

’zay nahabe ny ambom-po

Notafianao fahatoniana ny fo

Ireo fakam-panahy

Nikasa ny hahazo laka

Nosakananao tsy navelanao hanjaka



Be ireo sedra ... matoky ny Fitiavanao anay

Matoky Anao izahay

Matoky ny Fitiavanao ry Ray