Zay
Tsy ho ela
Tsy tantiko ny hamela anao irery

Tsy tiko anefa dia voatery aho

Tsy maintsy hiatrika ny hoaviko aho

Andeha aho, zory ny anao

Ataovy toy ny hoe

Mbola eo foana aho, mbola hiverina aho

Tsy ho ela ...



REF: Tohizo hatrany ny hiranao

Hakaro hatrany ny feonao

Hiverina aho hitondra ainga vaovao

Hanamafy indray lay hirahira fahizay

'Reny kalokalontsika ireny
Tsy hijanona ela any aho f'aza manahy



Hatramin'zay toa niaraka niafy

Nikaroka nihezaka hatrany

Toy ny hoe tsy hisaraka intsony

Ankehitriny aho handeha

Aza mihaotra

Raha hoe tsy ho eo tsony aho

Nefa aza manahy, tsy ho ela aho ...