Zay
Tsiky kely
Tsiky kely toa nanaitra no nasetrinao ireo masoko nitopy

Nitselatra ny tao am-po fa tsy nanam-po hoe mba hitsikinao



Dia nanofonofy amin’izay

Hoe isika ho tafaray

Hifampitantana hiaradalana

Nefa moa ve tsiky iray de efa ampy hampifandray

Sy hilazana fa hoe ianao koa tia ahy



Ka hampanginiko ny foko, lay nofinofy hohadinoiko

Na dia nanaitra ahy tokoa lay fitsikinao

Mety ho tsiky tsotra ihany ka tsy handefasako vinany

’Zaho mintsy no efa adala anao ka mahatonga ahy toa izao


Efa ela tokoa moa no nitsiry tao am-po

Ilay faniriana anao

Fitiavana adaladala satria tsy te hahalala

Hoe moa ve mba tianao



Dia nanofinofy........