Zay
Ho malalanao
Toa vao haingana ihay no nahalalako anao

Fotoana fohy ihany hatramin’izao

Nefa tsy mifankafoy mifampiankin-doha

Mpinamana mahafatra-po

Na ny manodidina aza efa mananihany

Indraindray toa mahatonga saina ihany

Hoe izay misy anao dia tiako hisy ahy hatrany

Tsy mahafoy anao aho, marina izany



Fa efa zatra anao, zatra anao

Zatra niaraka aminao

Efa zatra namanao

Ka ny ho malalanao, io indray no mba iriako
Ka ho malalako amin’izay no hiantsoako anao



Mierikerika foana raha vao mandeha irery

Mitady anao sao lahy mba eny ho eny

Na ny nofiko aza refa matory

Raha vao tsisy anao dia manorisory

Rehefa iny aho oriory tsy mety izay atao

Misava avokoa raha vao antsoinao

Ireo oram-pifaliana indray no ahatsapako

Fa tsy feno mintsy raha vao tsy eo ianao



Fa efa zatra anao, zatra anao

Zatra niaraka aminao
Efa zatra namanao

Ka ny ho malalanao, io indray no mba iriako

Ka ho malalako amin’izay no hiantsoako anao