Zay
Hamerina
Hiverina indray hamonjy anao
Handrava sy hanova ireo nankalao
Hasambarana ho ahy sy ho anao
Hiaraka higoka ny mamy vaovao

Na hangatsiaka aza ka mety ho ngoly
Fa feno fanala ny maraina ety
Tsy maintsy hiainga, maika ny ho tody
Hamoha indray ireo efa matory
Ka hanova lay fahoriana ho fifaliana
Ireo tonta havaozina indray ho azo iainana

Manantena aho fa mbola ao ianao
Miandrandra mafy lay fiainam-baovao
Miandry ahy ,miandry hatry ny ela
Vonona hifona sy hifamela