Zay
Diary
Fony isika sy ianao niara-nilalao tao andrefan-tanàna

Samy mbola kely tsy nisy nahalala irony adalàna

Ireo kilalao tony saribakoly sy ny omby tanimanga

Dia efa ampy ampiononana ny fo raha bedin'i Dada



Ireo kivarivary kely izay natao

Izay nahaditsoka ny masonao

Sy nampaloto ny akanjotsika

Kanefa toa narahintsikitsiky

Ilay takolakao izay toa feno ranomaso iny

Ilay nofafako fa hoe nisy vahiny

Ireo no mitamberina sy tsaroana

Ka isentoana


Ref : Fa tantara sisa no tantaraina

Sanatria tsy handrerak’aina

Fahatsiarovana sendra nandalo

Tsy atao hampimalo

Voasokatra tsinahy ny Diary

Ka nampahatsiahy ny nampiharihary

Ilay dingam-piainana fony mbola zaza

Saingy efa rava



Ilay feonao miantsoantso ny anarako

Raha vao maraina

Somary badabada kely izay ka tsy afaka ao an-tsaina
Ilay tarehanao rehefa misy manongo

Lasa menamena

Ilay masonao toa manganohano rehefa tezitr'i Neny



Ireo Kivarivary kely izay fanao

Izay efa nahazatra ahy sy ianao

Toy ny fanenjika sy ny fangalam-pihery

Ilay rahosy jamba nefa ianao mijery

Ireo rehetra ireo no mitambatra hoy iray

Nampifamatotra antsika tamin'izay

Ireo no mitamberina sy tsaroana

Ka isentoana