Zay
Anontanio azy
Efa ela mihitsy aho
No tsy mba nahita azy intsony
Tsy nandre mihitsy izay mikasika azy

Fa hatramin'ilay adiady iny
No tsy mba nifanena intsony
Nefa mino aho f’izy mety efa tony

Izaho aty dia efa te-hahita azy indray
Efa nanadino ireo adiady

Ref : Fa mba anontanio azy kely
Mbola ao ve ilay fitiavana
Fa mba anontanio azy kely
Efa adino ve ilay namana
Fa mba anontanio azy kely
Tsy mety intsony ve ilay fiarahana
F'izao aty mbola te ho-tantanana