Zay
Anio
Taona maro no efa nahalalako anao, niarahana
Zary lasa fahazarana ny miaraka aminao
Toa adinodino tsy tsaroana ireo tambitamby
Ireo teny mamy, safosafo, angola
Izay fanaontsika hatramin'izay

Anio aho hilaza, hanamafy ilay ao anatiko ao
Anio aho hilaza, fa mbola tia anao
Anio aho hilaza, hanamafy ilay fitiavako anao
Anio aho hilaza, fa mbola tia anao

Ho averintsika indray manomboka izao,ireo fanao taloha
Ireo fombafomba nahazatra ahy sy anao
Fony vao niandoha
Fo vaovao indray no hiara hitepo, ka hamerina
Ireo teny mamy, safosafo, angola
Ka atao fanao @ izay
Anio...