Zay
’Ty toetranao
Reo fombafomba ratsy hatrizay izay nahazatra anao
‘lay tiatiakely nahatamàna anao, nataonao fanao
‘Lay fahazaran-dratsy tia mandray, etsy sy eroa
Fitiavan-tena diso tafahoatra, mibàhana ao an-doha

Mahamenatra ny ataonao, ka ajanony any ‘zao dia izao !
Efa arakay ny toetranao
Ka ajanony izao dia izao !

Izay nafafy ihany no hojinjaina aoriandriana ao
Ny tody anie tsy misy fa ny atao no hivaly aminao
Na mety aza ny ataonao izao, saino ihany ny hoavy
Ny androany anie tsy ho rahampitso, ka tandremo ihany

Tsy efa ampy ve ny hatrizay
No manao foana ianao, tsy mety fay ?
Izay tratra anie ka hahamay
Ka mba miova !

Mahamenatra ny ataonao
Ka ajanony any ‘zao dia izao !
Efa arakay ny toetranao
Ka ajanony izao dia izao !!